- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpanapa-doha tetsy Faravohitra : Tsy tadidiny intsony ny olona efa novonoiny

Mpanapa-doha tetsy Faravohitra : Tsy tadidiny intsony ny olona efa novonoiny

Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay rangahy nanapa-doha ankizivavy 14 taona tetsy Faravohitra. Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy izy noho ny famonoan’olona sy fitazomana ody gasy. Ireo mpiambina doany, vehivavy roa, dia notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Notazomina noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny vonoan’olona. Fa iza marina moa ilay rangahy? Izy io dia monina eo Faravohitra ambony efa an-taonany maro. Manofa trano ao an-toerana ary tsy mba nandoa hofan-trano mihitsy satria matahotra azy ny rehetra, hatramin’ny tompon-trano. Iravahany karazan’ody gasy ny vatany iray manontolo dia miahotra hoazy ny fiaraha-monina. Matetika koa no misy lehilahy samihafa mivezivezy ao aminy ary ampandroiny eo an-tokontany sy hanaovany fombafomba. Mainka raiki-tahotra ny mpiara-monina. Milaza izy, raha ny tatitry ny mponina ihany, fa tsy vao voalohany no namono olona. Ny akaiky ny famotorana koa dia nanamafy izany ary nambaran’ilay lehilahy tamin’ny fomba mahitsy fa tsy latsaky ny valo no efa novonoiny. Efa intelo izy no voasambotra tao anatin’ny fotoana fohy. Isan’izany nandritry ny fitokanana ny Rovan’ny Madagasikara izay nanembatsembana izany izy ary nosamborin’ny mpitandro ny filaminana. Telo andro taorian’izay anefa dia efa niverina tao an-tranony indray. Torak’izany koa, efa nanambana olona tamin’ny antsy tao anaty elakelan-trano tao Faravohitra. Nisy nahita ka niantso mpitandro ny filaminana ary nifanenjehana tao anaty maizina. Telo andro taorian’izay dia efa hita niriaria koa. Mbola nosamborina koa noho ny resaka fifohana rongony ary dia votsotra indray taorian’izay. Ny niafarany dia tsy nisy sahy nitoroka intsony ary dia migalabona tanteraka manao ny asaratsiny izay isan’izany ny famonoan’olona. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe iza no mibaiko azy ao anatin’ity famonoan’olona mba hatao sorona ity? Azo eritreretina fa tsy mandeha hoazy amin’izao fotsiny mantsy izany. Ny momba ny maha-votsotra azy matetika indray dia mody adala ilay lehilahy rehefa voasambotra. Saingy tsy nahomby izany tamin’ity indray mitoraka ity rehefa nohenjanin’ny BC ny tady.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici