- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Mpandeha moto maty nofaohin’ny 4X4

RN2 : Mpandeha moto maty nofaohin’ny 4X4

Namoy ny ainy avy hatrany. Mpitaingina moto iray no maty nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana tetsy Maharidaza, teo amin’ny lalam-pirenena faharoa. Teo am-pisongonana kamiao ilay fiara 4X4 no nifatratra tany amin’ilay kodiaran-droa. Tapaka ny làlana vokatr’izany ary tsy maintsy tonga ny zandary nanao ny fanadihadiana ka nitazona avy hatrany ny mpamily. Olana hatrany ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena. Na dia efa mba nisy ezaka nihatsara aza ny làlana sasany dia ny hakeliny sy ny fisian’ny fiolanana isaky ny mandeha dia mitera-doza. Mila fitandremana tanteraka ny manamory fiara na kodiaran-droa eny amin’ny lalam-pirenena.

Nangonin’I D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici