
Basy vita gasy, moara (ody gasy), fanamiana mpitandro ny filaminana ary antsy. Izay no tao amin’ny fasian’entanan’ny kodiaran-droa notaingenan’ireo. Nanaitra ny polisy ny tsy fisian’ny laharana teo amin’ilay moto. Voasakana teo amin’ny barazy teo Ambohipeno-Arivonimamo izy ireo. Rehefa nandeha ny fisavàna dia nampiahiahy avokoa ny fihetsiky ny olona na ny entana izay tratra teny amin’izy ireo. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nosamborina izy roa lahy ary nogiazana ny moto. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna, ny fitazomana akanjon’ny mpitandro ny filaminana, ny antsy ary indrindra koa ny odigasy. Fitaovana izay ampiasain’ny mpanao ratsy avokoa izy ireo ary mailo avy hatrany ny polisy.
D.R