- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Mpandeha moto nitondra basy nosamborina

Arivonimamo : Mpandeha moto nitondra basy nosamborina

Basy vita gasy, moara (ody gasy), fanamiana mpitandro ny filaminana ary antsy. Izay no tao amin’ny fasian’entanan’ny kodiaran-droa notaingenan’ireo. Nanaitra ny polisy ny tsy fisian’ny laharana teo amin’ilay moto. Voasakana teo amin’ny barazy teo Ambohipeno-Arivonimamo izy ireo. Rehefa nandeha ny fisavàna dia nampiahiahy avokoa ny fihetsiky ny olona na ny entana izay tratra teny amin’izy ireo. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia nosamborina izy roa lahy ary nogiazana ny moto. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna, ny fitazomana akanjon’ny mpitandro ny filaminana, ny antsy ary indrindra koa ny odigasy. Fitaovana izay ampiasain’ny mpanao ratsy avokoa izy ireo ary mailo avy hatrany ny polisy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici