WordPress database error: [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f1fac-1cc5b.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f1fac-1cc5c.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Mpanendaka eny Anosy : Lasibatry ireo mpiandry marary voatery hitady fanafody amin’ny alina -
- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f1fac-1cc5f.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_postmeta`

AccueilFaits-DiversMpanendaka eny Anosy : Lasibatry ireo mpiandry marary voatery hitady fanafody amin’ny...

Mpanendaka eny Anosy : Lasibatry ireo mpiandry marary voatery hitady fanafody amin’ny alina

Mihaodihaody manodidina ny tsenan’i Soamanatombo eny ry zalahy mpanendaka raha vao manomboka miha-maizina fotsiny io andro io. Araka ny voalaza dia ireo mpiandry marary ao amin’ny hôpitaly tsy lavitra eo, voatery mivoaka mitady fanafody any ivelany no ataon-dry zalahy ireo mahita faisana mihitsy. Efa maro ireo voa tamin’izany, antony nahatonga ireo pôlisy misahana iny faritra iny, nidina mihitsy teny an-toerana.

Ny faran’ny herinandro lasa teo ary dia nisy roalahy, izay hita fa nampiseho fihetsika hafahafa no voatery nosamborin’ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, teny amin’iny faritra Anosy iny, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any.  « Lehilahy maromaro no tazana nitampify eo amin’ny maizimaizina manodidina ny tsenan’ny Soamanantombo ». Nanatona avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka rafitra nanao tongotra an-katoka avokoa ry zalahy ireto. Fihetsikana olon-dratsy efa tsy zoviana amin’ireo pôlisy intsony ka dia raikitra teo ny fifanenjehana. Roalahy no fantatra, araka ny loharanom-baovao azo fa voasambotra. « Ny iray tamin’ireto voasambotra dia nahatrarana antsy maranitra » : irony fitaovana fampiasaina amin’ny fanapahana bozaka eny an-jaridaina irony no noranitina sy navadika ho zava-maranitra, fentin’izy ireo manao ny ny asa ratsiny. Fantatra, araka ny loharanom-baovao nampitain’ny pôlisy fa efa mpamerin-keloka ity lehilahy ity ary efa indroa no nifonja, noho ny antony fanendahana hatrany. Nentina notazomina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ry zalahy ireto. Mbola misy ireo namany hafa, hoy hatrany ny vaovao ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f1fac-1cc61.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`