- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversMpanendaka hikoizana eny Anosibe : Zazalahy tsy ampy taona voasambotry ny SAG

Mpanendaka hikoizana eny Anosibe : Zazalahy tsy ampy taona voasambotry ny SAG

Vao 16 taona monja ny tovolahy kanefa efa raindahiny tanteraka amin’ny resaka sinto-mahery eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Tsy namelan’ny pôlisy avy eo amin’ny sampana miady amin’ny fanafihana mahery vaika (SAG) anefa raha tsy voasambotra ny lehilahy omaly.

Faritra iray anisan’ny mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, indrindra fa ny resaka sinto-mahery sy ny fanendahana raha iny Anosibe iny. Efa maro ireo olona mifamezivezy amin’izany faritra izany no niharan’ireo asa ratsy ireo, hoy ny avy eo anivon’ny pôlisy. Ireo tontakely izay efa tena hikoizana tanteraka eny amin’iny faritra iny, mahavita manao ny asa ratsiny ao anatin’ny fotoana fohy monja. Toy ny tselatra ny fipoitrany avy any ary mitsoaka toy tsy teo ihany koa rehefa mahazo ny zavatra ilainy. Tsy nitazam-potsiny mihitsy ireo pôlisin’ny SAG nanoloana izany toe-javatra izany, izay efa fitairan’ny mponina sy ireo mpiantsena eny an-toerana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany fa niezaka nanara-maso ny manodidina ary nanao izay fomba rehetra, hitadiavana ireo mpanao ratsy.  « Natao ny fikarohana ka taorian‘ny angom-baovao isan-karazany no nahafahana nisambotra ny iray tamin‘ireo totankely izay teny amin ‘ny manodidina hatrany. Eny amin‘ny faritra Anosipatrana moa izy no mipetraka izao tra-tehaka manatanteraka asa ratsiny eny Anosibe izao » hoy hatrany ny vaovao. Nomena ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) tetsy Anosy moa ity mpanendaka kely voasambotra ity, ho tohin’ny famotorana azy, noho ity farany tsy mbola ampy taona. Mbola mitohy hatrany kosa ny fitsimponana ireo tontakely eny amin’iny faritra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici