Efa maro ireo lasibatra sy nitondra faisana, teny amin’iny manodidina an’Ambohimangakely iny. Saika izy foana no voalaza fa tao ambadik’ireny vaky trano, fanakanan-dalana, fanafihana sy fanendahana miaraka tamin’ny sabatra tamin’ireo faritra maro, toa an’Ikianja, Ambohimahitsy, Mahazo, Ankadindramamy, tonga hatrany Ambatomaro any. Tsy vitan’izay fa mbola voarohirohy tao anatin’ny fanafihana mpivady iray teny Tsarahasina Ambohimangakely ihany koa ingahirainy, ny volana oktobra lasa teo. Omaly nifanehatra tamin’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimagakely izany jiolahy rain-dahiny izany, raha mbola teo am-panaovana ny fomba fanaony. Ary lavo, tsy afaka hanohy intsony ireo asa ratsiny ireto.
Omaly tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina no nahazo antso ny zandary teny an-toerana fa misy jiolahy mpamaky trano niditra tao amin’ny tokatrano iray tao Amboromanina, ao amin’ny fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely. Marihana fa tsy vao sambany no nidiran’ny olon-dratsy tahak’izao io trano io fa efa faninefany izay. Tapa-kevitra tanteraka hamarana tanteraka ny teti-dratsin’izay jiolahy tafiditra sy tompon’antoka tamin’ireo asa ireo ny zandary ka nidina avy hatrany teny an-toerana, ary nametraka paik’ady. Tsy ela dia voahodidina ny trano ary mbola tao tokoa ilay olon-dratsy, tsy afaka nilefa intsony. Olon-dratsy izay tsy iza fa olona efa karohin’ireo mpitandro filaminana fatratra, na ny tao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely na ny tao amin’ny zana-tobi-paritra Soamanandrariny, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Ratsoa.
Tampoka tamin’io fotoana io anefa, araka ny voalazan’ny angom-baovao no nivoaka niaraka tamin’ny sabatra ny lehilahy ary vonona ihany koa hanohitra iretsy mpitandro filaminana tamin’alalan’izany fitaovam-piadiana izany. Tsy maintsy niaro tena araka izany ireo zandary ary namaly sy niezaka nifehy azy. Indrisy anefa fa naratra vokatr’izay ity olon-dratsy ity ary nitarika tany amin’ny fahafatesany izany, noho ny fahaverezan-drà be loatra. Efa nentina nihazo ny tranom-paty ao amin’ny hôpitalin’Ambohimangakely moa ny razana, taorian’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana, miandry ny fianakaviany. Marihana fa efa mpamerin-keloka sy gadralava Ratsoa, satria dia efa niditra am-ponja intelo. Nandritra ireo asa ratsiny ireo dia heverina fa tsy nandeha irery ranamana fa tsy maintsy nisy namany. Mbola eo an-dalam-pikarohana izany amin’ny fanohizana ny fanadihadiana araka izany ireo zandary.
m.L