- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Mpangalatra kojakojana fiara voadaroky ny fokonolona

Analamahitsy : Mpangalatra kojakojana fiara voadaroky ny fokonolona

Roalahy izy ireo no nanao ny « opération » saingy ny iray tafatsoaka ary ny iray tsy afa-bela tamin’ireo fokonolona teny amin’iny faritra Analamahitsy tanana iny.

Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no voadinana ary tsy afa-niala intsony ity mpangalatra kojakojana fiara ity, raha mbola teo ampanongotana fitaratra fiara nijanona tao anaty « parking ». Nisy naheno ny zavatra nataon’izy ireo ary velona avy hatrany ny kiririoka sy ny akoralava ary ny fifanenjehana. Tsy namelan’ireo fokonolona izay nahay niray hina, raha tsy nisy ny voasambotra. Tsy nisy alaharo alaharo fa raikitra avy hatrany ny daroka sy ny vono, ary raha nisy kely foana mety hatramin’ny ain’ity olon-dratsy ity nanefa. Araka ny fantatra dia efa nahavita asa ratsy tany ananona tany ry zalahy ireto satria efa nitondra gony, nisy kojakojana fiara isan-karazany. Nitetika ny mbola hahazo tao amin’io « parking » io kanjo ny hatezeran’ny fokonolona no nianjera tamin’izy ireo. 

Raha ny filazan’ireo andrimasom-pokonolona teny an-toerana mantsy dia miha-mirongatra tanteraka ny resaka hala-botry sy fanendahana eny an-toerana, izay hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra. Izay toe-javatra izay rahateo no mampiaka-pofona ireo fokonolona ary nanamparan’izy ireo izany hatezerany izany tamin’ity olon-dratsy voasambotra ity. Efa natolotra ny mpitandro filaminana teny an-toerana moa ity tontakely voasambotra ity. Mandeha kosa ny fikarohana ny namany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici