Nampandre moramora ny zandary ny manodidina izay nahatsikaritra lehilahy roa hafahafa fihetsika. Inona tokoa fa namaky trano ireo ary efa tafiditra tao. Efa voapetraka tsara tao anaty gony ny kojakoja maro ary ny moto izay tao amin’ilay trano tafavoaka. Tonga ara-potoana ireo zandarin’Ambohimalaza ary dia tratra ambodiomby ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny faharoa izay mbola karohina ankehitriny. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Andranonomby no niseho ity halatra izay toa efa nomanina ity. Soa fa mailo ny mpiray monina ary sahy nampandre ny mpitandro ny filaminana koa.
D.R