- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMpanondrana rongony : Noraofim-potsiny teo amin’ny “port” ilay komorianina

Mpanondrana rongony : Noraofim-potsiny teo amin’ny “port” ilay komorianina

Milanja 16 kilao mahery  ireo rongony nokasaina haondrana ireo. Ny zoma lasa teo no saron’ny mpiasa ny fadin-tseranana teto Mahajanga ilay tovolahy. Fomba hafa mihitsy no saika hanondranana ireo zava-mahadomelona. Nandrasan’izy ireo ny sambo farany amin’ireo telo nandeha tamin’io zoma io no saika hanondranana ireo rongony. Natao tao anatin’ny tavoangy na “bouteil à gaz” ary nalefa toy ny colis rehetra alefa any komoro. Tsikaritry ny mpiasa ny faditseranana avy atrany nefa ny fihetsika hafahafa nataon’ireo tovolahy, teo ihany koa ny fahitana ilay tavoangy ny gaz mivohitra teo ampivôny rehefa notapahana sy natao “soudure” ka nolokoina maintso ihany. Ireo no nanintona azy ireo hanao ny fisavana ka vaky nandositra avy atrany izy ireo taorin’izay. Roa lahy izy ireo no nikasa hanao izao teti-dratsy izao. Rehefa raikitra ny fifanenjehana, ny iray tratra ary ny iray hafa tafaporitsaka ka mbola karohana atramin’izao. Matotra ny fiara-miasa teo amin’ireo polisim-pirenena sy ireo mpiasa ny faditseranana tamin’ny fahatratrarana ireto zava-mahadomelona ireto satria samy nandray ny anjara tandrifiny ny tsirairay avy ka nahazoana ny vokatra. Nohamafisin’ny mpitantana vaovao ny faditseranana eto Mahajanga Atoa Zafisolo Max fa ho entitra atrany ny fisavana ho ataon’ireo ekipa rehetra manomboka eto. Tsy hoe gaboraraka hoy izy ny taloha fa amafisina ny fomba fiasa mba hisin’ny mangarahara sy fampiarana ny lalàna velona amin’ireo izay fantatra fa manao ny tsy mety. Voararan’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fifohana, ny fivarotana, ny fampiasana sy ny fanondranana ny rongony ary misy ireo sazy mifandraika amin’izany. Omaly no nantolotra ny fitsarana io tovolahy teratany komorianina io ary fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika izy eny amin’ny fonja fanarenana Marofoto Mahajanga.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici