- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpianatra niharan-doza teny amin’ny RN1  Noraisin’ireo ministera an-tanana ny fitsaboana ireo naratra

Mpianatra niharan-doza teny amin’ny RN1  Noraisin’ireo ministera an-tanana ny fitsaboana ireo naratra

Haalan

Nahabe resaka ny maro tokoa ilay tranga mahatsiravina, niseho teo amin’ny sampan’Ambatofolaka, tamin’iny lalam-pirenena voalohany, ny zoma lasa teo iny. Lozam-pifamoivoizana nihatra tamina fiara iray avy nitondra ankizy mpianatra nanao « voyage d’etudes »ary nahafatesana olona telo ary naharatrana mpianatra sy ray aman-dreny maromaro. Taorian’ity zava-niseho ity dia nandray andraikitra avy hatrany ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ireo ministera misahana izany. « Miara-misalahy amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpianatra sy ray aman-dreniny tra-doza tamin’ity loza ity ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka » araka ny tati-baovao avy amin’ireo ministera ireo. « Raisina an-tanana manontolo ireo naratra ary nisy antoka (assurance) avokoa ireo mpandeha ».

Etsy andanin’izay, miantso ny rehetra ho tony ihany koa ireo tompon’andraikitram-panjakana ireo manoloana ireo karazam-baovao mety hiparitaka. « Miandry ampilaminana ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana amin’izay mety antony nitrangan’ny loza » hoy izy ireo.

Tsara marihana fa taorian’iny loza dia efa notanana natao fanadihadiana ny mpamily roa tonta : ny an’ilay fiara niharan-doza sy ilay fiara hafa, izay voalaza fa antony niteraka iny loza iny. Raha tsiahivina mantsy dia fiara iray hafa, handeha hisongona kanefa tsy nahavita izany no nandona an’ilay fiara nitondra ireto mpianatra ireto. Tsy nahavitan’ny mpamily nanarina ilay dona intsony ary nivarinan’izany fiara izany tanaty hantsana niaraka tamin’ireo olona tao anatiny. Tamin’io fotoana io, olona telo no namoy iny ainy ary 20 naratra. Nisy olona fito naratra mafy izay voatery nentina niakatra nihazo ny hôpitaly HJRA. « Efa tsy misy ahiana hatreto ny mahakasika ny ain’izy ireo na teo aza ny fahavoazana mafy nahazo azy ireo » raha ny fanazavana azo avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana.

mi

d, retour efficace

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici