Niakatra fampanoavana ary nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Imerintsiatosika Ravalison Arile Jean de Dieu, fantatra amin’ny hoe Jeneraly Israel. Sahiny tanteraka ny nanao fanamiana sy galona nandritra ny fotoana ela (dimy taona) ary tsy vitan’izany fa izy koa dia mboka dedaka miseho haino aman-jery isaky ny mandeha ary manao izany marika rehetra izany. Nentiny nanindriana etsy sy eroa ny galona sandoka ary fantatra fa nisy asaratsy fisolokiana marobe tao ambadik’izany. Na ny firaisam-be sendikaly aza dia very koa tao anatin’ny fitaka ary nanaiky azy ho manamboninahitra Jeneraly, raha tsy hoe nanakipy maso angaha ka mody tsy nahafantatra. Rehefa zohina anefa ny tena galonany dia mifandraika amin’ny Adjudant raha eo anivon’ny rafitra miaramila. Nitory azy ny filankevitra ambony eo anivon’ny fandraharahana ny fonja noho ny fisandohana andraikitra. Re koa anefa fa marobe ny olona voasolokiny no efa mihetsiketsika ary hametraka fitoriana raha vao nandre ny fisamborana sy fitazomana azy. Mbola andalana voalohany ihany araka izany ity fanenjehana nampidoboka am-ponja ity satria mbola hitatra ny raharaha atsy ho atsy noho ny fisolokiana isan-karazany nataony. Forongony hatrany anaty tsinaimaintiny ny lehilahy ary izany aza no nentiny nanao asaratsy fisolokiana, indrindra tamin’ny fitondràna volomboasary. Ampiasainy etsy sy eroa ny sarin’izy sy ny Filoha teo aloha Rajoelina mba handemena ny olona. Izy koa dia akaiky ny olona ambony maro tamin’izany satria mason’ireo eo anivon’ny fonja. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny, raha sokafana lavidavitra ny fanadihadiana, dia ny hoe iza no nanao sonia ny didim-panjakana nampiakatra azy ho Jeneraly? Raha ny re mantsy dia mba nisy taratasy ihany tany aminy nandritra ny fiarovan-tenany. Na izany aza dia taratasy tsy mitombina satria ny fanondrotana galona dia tsy maintsy mivoaka eo anivon’ny filankevitry ny Governemanta. Manaraka izay koa dia manana karatry ny asa manondro azy ho Jeneraly koa izy. Midika izany rehetra izany fa nisy tambajotra ao ambadika ary olom-panjakana izay nanaotao foana na nanao kolikoly any ho any ary nanome azy ireo rehetra ireo. Antony nahasorena ny mpandraharaha ny fonja avokoa izany ary nahatonga azy ireo tsy namela mahazo ilay Jeneraly sandoka Israel, anarana tsy anatin’ny kara-panondrony akory kanefa hiantsoana azy etsy sy eroa. Izany hoe mbola sandoka koa izany. Mila lasa lavidavitra kokoa ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
D.R




