
Mitohy amin’ireo kaomisarian’ny boriborintany rehetra eto an-drenivohitra ny hetsika Bemidina ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahelamana. Ankoatry ny teny Analakely sy ny manodidina dia nitohy teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny izany ny alatsinainy lasa teo. Mazava ho azy, misy hatrany ny vokatra, izay nahatratrarana telo lahy mpivarotra sy mpifoka rongony. Teo am-panaovana izany asa ratsiny izany mihitsy izy ireo, andro antoandro be nanahary no voapaingotra. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahenina avy hatrany moa zalahy ireto.
Ambohijatovo ka hatreny Isotry ! Fa ao anatin’izay Bemidina izay hatrany, dia fantatra nahatratra hatrany amin’ny olona 22 isa no voasambotra sy notanana ho amin’ny famotorana ao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa sy fahefatra. Mpidoroka, mpanendaka, mpangalatra, mpiloka an-dalalambe, manao fanamiana mitovy amin’ny mpitandro filaminana … Marihana fa misy roa amin’ireto voasambotra ireto no vehivavy. « 14 taona ny zandriny indrindra ary 41 taona no zokony indrindra » hoy ny fanazavana azo.
m.L