Tsy nampoizin’ireto mpirevy tetsy Masay akory ny fidinana tampoka nataon’ireo polisy avy etsy amin’ny boriborintany fahavalo. Tratra teo ny nafenina. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena dia am-polony maromaro ireo voasambotra sy natao fisavàna. Tamin’izany no nahitàna fa ny efatra tamin’izy ireo dia mpanao trafikam-basy, roa mpidoroka rongony ary ny 13 hafa dia na mpanao « course moto » tsy nahazoana alalàna, na mpirevy fotsiny ihany. Mbola nahatratrarana tavoahangin-dabiera rahateo tany amin’izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo.
Mbola tsy nilaza akory ny fitondram-panjakana fa efa afaka tanteraka anaty fihibohana isika, kanefa, raha ny hita ny faran’ny herinandro teo dia saika maro ireo olona no nandeha nivoaka maromaro sy nitsangantsangana tetsy sy teroa. Teny amin’iny faritra Masay iny dia hita ho nihamaro hatrany ireo olona mivorivory fa indrindra ireo mpitondra moto. Nisy araka izany ny fidinana tampotampoka nataon’ireo polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy. Noraofim-potsiny teo ireto tsy mpanara-dalàna ireto. Ny loza, hoy hatrany ny fampitam-baovao, dia tsy vitan’ny manangona olona sy mitangorona izy ireo, izayvoarara mihitsy aloha hatreto noho ny fiparitahan’ilay valan’aretina Covid-19 fa mbola mirotsaka tanteraka anaty fihoaram-pefy tanteraka. Porofon’izany, hoy hatrany ireo polisy, ny fahatratrarana bandy efa-dahy izay tsy tahotra tsy henatra fa mivarotra fitaovam-piadiana. Basy poleta iray niaraka tamin’ny fitoeram-bala moa no tratra tany amin’izy ireo. Ireo hafa indray dia eny amoron’ny Masay eny no midoroka rongony, imason’ny rehetra. Ireo hafa moa dia mampidi-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa amin’ny alalan’ny fanaovana « course moto » eny an-dalam-be, miampy fifamamoana. Ny sasany tamin’izy ireo aza dia efa tena mamo tampona, raha ny filazan’ireo mpitandro filaminana kanefa dia mbola minia mitondra ihany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria ireto olona voasambotra ireto ary nanaovana fanadihadiana avy hatrany. « Mbola mitohy ny fidinana ifotony ataon’ny polisy ary hihamafy ny fisavana sy ny fanaraha-maso amin’ iny toerana iny na andro na alina. »
m.L