- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpitandro filaminana nifampitifitra : Tonga nandamina ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny lehiben’izy ireo

Mpitandro filaminana nifampitifitra : Tonga nandamina ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny lehiben’izy ireo

Azo lazaina, fa efa niravona tanteraka ilay trangana fifampitifirana nisy teo amin’ny miaramila sy ny zandary tany Kandreho, ny sabotsy lasa teo, ka nahafaty ilay miaramila ary naharatrana zandary iray. Raha nitohy tokoa mantsy ny raharaha, dia nety niteraka savorovoro teo amin’ireto mpitandro filaminana, mpirahalahy mianala sy miara-miady amin’ny dahalo ireto, kanefa rehefa nisy ny fifandaminana dia niravona tanteraka izany. Nijoro ho mpanelanelana tamin’izany ireto tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana, niaraka tamin’ny lehiben’izy ireo tsirairay avy. Tsy misy ny disadisa eo aminay samy mpitandro filaminana. Tranga tsy neritreretina ho tonga, iny niseho ny sabotsy lasa teo iny, hoy ny fanazavana azo. Raha ny fandehan-javatra tokoa mantsy, dia nihevitra fa dahalo no niandry kendry tohina ireto zandary handeha hody ireto, tanaty haizina.  Hany ka namaly tifitra avy hatrany izy ireo, nanohitra izany. Nisy iray tamin’ireo zandary ihany koa mantsy no naratra, voan’ny bala teo amin’ny feny. Rehefa nitsahatra ny fifampitifirana ka nojerena anefa dia fantatra teo fa miaramila ilay nitifitra fa tsy dahalo velively akory. Ity farany moa izay naratra mafy, ary indrisy fa namoy ny ainy rehefa nentina tany amin’iny hôpitaly. Ilay zandary naratra kosa, dia efa nampiakarina aty an-dRenivohitra ary nentina notsaboina tetsy amin’iny hôpitaly miaramila Soavinandriana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici