Basy poleta, PA iray no tsy miala eny am-balahan’ity tovolahy iray, hampihorohoroany ireo olona nifanena taminy. Voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahafito teny amin’iny faritra Ankasina ity tovolahy 29 taona ity, izay voamarina fa isan’ireo olon-dratsy mpampihorohoro eny amin’iny faritra iny. Ny alin’ny krismasy lasa teo, saika hangalatra môtô manoloana ana trano fisotroana iray teny Ankasina, akaikin’ny « rond point » ny tenany. Toy ireny tompony ireny ny lehilahy, tsy taitra akory namoha ny hidin’ilay môtô, nitaingina izany sy niezaka namelona. Nisy nahatsikaritra anefa izany fihetsiny izany, izay olona mahafantatra tsara ny tompon’ity môtô saika hangalariny. Niantso avy hatrany ny tompony ity olona nahita azy ity, ary raikitra avy hatrany ny fisamborana ity tovolahy ity. Tsy niraharaha intsony izay basy tany aminy ny rehetra, fa niray hina nisambotra ity mpandoto tanàna ity. Mba nentiny niarovana tena dia nilaza indray ny tenany fa hoe mpitandro filaminana ka nasehony ny basy teny aminy. Tsy vitan’izay fa mba hanaporofoany amin’ireo tsy mino, dia entiny miaraka amin’ny tranom-bala sy ny balany ity basy poleta ity. Tsy naharesy lahatra ireo mpisambotra anefa izany. Izy rahateo, efa tratra am-bodiomby saika hangalatra ilay môtô an’olona. Efa raikitra ny daroka sy ny vono teny an-toerana. Tonga fotoana fohy taorian’izay moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay nisambotra ity mpitandro filaminana sandoka ity. Tamin’ny fisavàna natao azy no mbola nahitana lakile-na môtô scooter sy BWS dimy karazana moa tany aminy, raha ny fanazavana azo. Halatra am-bodiomby, fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalàna, fisandohana andraikitra, sns … Mavesabesatra ihany ny fanenjahana ity olon-dratsy ity, izay natolotra ny Fampanoavana omaly. Fantatra moa fa nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy ny tovolahy.
m.L