Niakatra teny amin’ny fitsarana, « chambre de detention », ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray midoboka am-ponja vonjimaika eto Toamasina. Raha ny fanazavana azo dia nolavin’ny fitsarana izany fahafahana vonjimaika izany, noho ity zandary ity efa mpamerin-keloka loatra. Raha ny fantatra mantsy dia resaka simenitra sy fanodinkodinana no nampiditra azy am-ponja vonjimaika, satria simenitra efa lany daty no ampiasaina sy fonosina lasaka simenitra ara-dalàna nandritra izany, ka amidin’izy ireo avy eo. Ankilan’izay koa, raha tafaresaka tamin’ny manamboninahitra zandary ny mpanao gazety, dia ny taona 2014 dia efa nanodinkodina lohamenaka tao anaty bidao tao Fenerivo atsinanana izy, nosoliny rano. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nangalatra ny basin’ny namany ihany koa izy. Raha niara-nisotrosotro izy ireo dia nasiany fanafody mampatory ny toakan’ny namany ary nangalariny ny basiny. Ankoatra izany, manahy ny maro fa hahazo ny fahafahana vonjimaika ity zandary ity raha miakatra fitsarana ambony ny raharaha fahafahana vonjimaika nataony amin’ny fampiasam-bola ataon’ireo mpanara-dia azy amin’izao, araka ny lohanom-baovao. Raha ny fantatra amin’izao dia tsy vitan’olona irery ny fisandohana simenitra nataon’izy ireo, fa tsy maintsy nisy namana izy ka, eo am-pokarohana ireo namany ny mpisahana ny fanadihadiana eo anivon’ny sampana heloha bevavan’ny.
Malala Didier