- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Mpitatitra rongony amin’ny taxi-be voasambotra

Talatamaty : Mpitatitra rongony amin’ny taxi-be voasambotra

Tsy niasa saina firy fa dia nentiny taxi-be ilay entana voarara

Nampidirina tao anaty taxi-be rongony ary notaterina toa ny entana tsotra. Teo aloha dia mbola tsy nanintona ny sain’ny olona izay mety ho tao anatin’ilay gony. Teo amin’ny fiantsonana Bel-Air Amborompotsu, raha niala izy no sarona. Ny antony dia mailomailo be ny anao lahy teo am-pidinana ilay fitaovam-pitaterana. Tsy vitan’izany fa niova làlana avy hatrany raha vao nahita ireo zandary izay nandrindra ny fifamoivoizana teo an-toerana. Nanintona ny mason’ireo mpitandro ny filaminana izany fihetsika rehetra izany. Nasaina nijanona izy ary ary rehefa nosavaina dia nipoitra izay nafenina. Rongony avokoa no tao anatin’ilay lasaka mody nololohavina. Nosamborina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana. Isan-kerinandro dia tsy maintsy ahenoana fisamborana mpamatsy rongony hatrany, na izany any anaty tanàna na izany avy amin’ny fitaterana eny amin’ny lalam-pirenena. Midika izany fa tena mivezivezy eto amin’ny firenena ny zava-mahadomelina ary tena sehatra iray goavana izay mbola mila ezaka be ny ady amin’ny fiparitahany raha tsy fongotra ny any amin’izay niaviany. Mahita fika hamoahana sy hitaterana izany hatrany mantsy ireo mpamatsy noho ny herin’ny kolikoly. Efa fantampantatra avokoa ihany ny toerana misy ny fambolena azy ireny kanefa toa tsy mba tonga any amin’ny fandringanana izany mihitsy ny hetsika nisy hatreto.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici