
Amin’ny andro antoandro ary amin’ny fotoana betsaka olona mivezivezy. Nilaza ny lehilahy iray fa haka vola mitentina 6 hetsy ariary saingy mbola miandry kely izany ho tonga ao anaty findainy aloha. Natoky tokoa ny mpikirakira ilay kiosque ary tonga hatramin’ny nanekena ilay olona hiditra ao anatin’ny trano kely fangalam-bola. Zavatra hafa mihitsy no nitranga rehefa tao anatin’ilay kiosque. Navoakan’ilay mpanjifa sandoka ny antsy ary norahonany ny tompon’andraikitra mba hanome azy ny kitapo kely misy ny vola. Rehefa nisy fanoherana dia notsatohany antsy avy hatrany teo amin’ny tendan’ilay olona. Soa fa mba tsy lasa lalina izany ka afaka navotana tsara ilay naratra. Isan’ny faritra tena saro-pady amin’ny vatan’olombelona ny tenda raha vao andalovan’ny zava-maranitra ary mety tsy mijanona intsony ny rà. Izany hoe tsy natao hampitahorana intsony ilay antsy teto fa nikasàna hifofo ain’olona. Nahavita niantso vonjeo ny naratra ary vetivety dia vory ny olona. Niezaka nitsoaka ihany ny mpanao ratsy saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra. Sady niharan’ny hatezeran’olona teo no nofatorana ary naterina teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Isan’ny manintona mpangalatra sy mpamono olona hatrany ireny kiosque ireny. Efa betsaka ny namoy aina rehefa voatafika, indrindra teto an-drenivohitra. Toa fantatr’ireo olon-dratsy hatrany rehefa misy vola tonga na aloa amin’izy ireny. Midika fa misy firaisana tsikombakomba ary misy mpitsikilo manara-maso ny fivezivezen’ny vola sy ny olona. Efa betsaka izay voa mafy izay na namoy aina mihitsy aza.
D.R