- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMpitondra posy maty tampoka teny an-dalana

Mpitondra posy maty tampoka teny an-dalana

Lehilahy iray mpitarika posy sahabo ho 50 taona eo ho eo no maty tampoka teny an-dalana, ny alahady antoandro teo, tany Toliara. Teo am-pitondrana posy ity rangahy efa nahazoazo taona ity no niakarapoka tampoka tamin’ny tany, ary tapitra tsy niala nenina akory ny ainy. Nidiridiry be ny voamasony ary nahitana faroratra fotsy teo amin’ny vavany, hoy ireo nanatri-maso ny loza. Soa ihany fa tsy nisy mpandeha nentiny izy, hoy hatrany ny fanazavana azo, fa mety zava-doza hafa ihany koa no nitranga. Raha ny tombatomban’ny maro dia mety noho ny aretina efa nitaiza azy efa hatry ny ela tsy voatsabo niampy ny tsy fahampiasan-tsakofo niteraka harerahana diso tafahoatra no nitarika ny fahafatesana tapok ’ity mpitondra posy ity. Ny hafanana koa midanika izay tsy izy ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana tanànan’ny masoandro, ka mampikaikaika ny maro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici