- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Mpitsabo nentim-paharazana nanolana zaza tsy ampy taona

Manjakandriana : Mpitsabo nentim-paharazana nanolana zaza tsy ampy taona

Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona sy fanolanana. Ireo no vesatra hanenjehana ity lehilahy iray 48 taona, mpitsabo nentim-paharazana ao Manakasikely Manjakandriana, nosamborin’ny pôlisy tany an-toerana ny herinandro lasa teo. Zazavavikely mpianatra tany amin’iny faritra iny ihany no lasibatr’ingahirainy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Ny zava-nisy. Ny mpanabe sy ny lehiben’ny fari-piadidim-pampianarana tao an-toerana no nametraka fitoriana teny anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy, taorian’ny fahafantarana ny zava-doza nahazo ity ankizivavy ity. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia « nahatsapa fiovana fihetsika teo amin’ilay zaza ny mpampianatra azy, ary porofon’izany ny fitotongan’ny naotiny. Tsikaritry ny mpanabe ihany koa fa naneho fihetsika mampiahiahy ity zaza ity nandritran’ny fanentanana mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny miralenta sy ny fiarovana ny trangana vohoka mahazo ny zaza tsy ampy taona ». Tsy nipetra-potsiny araka ireto farany nanoloana izany fa avy hatrany dia nandray andraikitra sy nandray an-tanana ity zazavavy kely ity ary niezaka nanambitamby azy hitantara ny zava-nisy. Taorian’izay dia nentina notsirihana tany amin’ny mpitsabo ary voamarina teo tokoa fa efa niharan’ny herisetra ara-nofo ny tenany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nanao izay nahafantarana ilay nahavanon-doza. Nilaza ilay zaza fa io rangahy ao Manakasikely io no nanodikodina sy nanolana azy. Nosamborin’ny pôlisy avy hatrany taorian’izay ingahirainy, izay niaiky tsara ihany koa ny heloka nataony. Natolotra avy hatrany ny fampanoavana moa ity « dadarabe » mpanolana ity ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika, ny alakamisy lasa teo, any an-toerana, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici