
Tampoka tamin’ny rehetra tokoa ! Nodimandry omaly i Jessica, ilay vehivavy mpanotra etsy Mandrosoa Ivato, araka ny nambaran’ny fianakaviany sy ny pejin’ny tambajotra sosialiny ofisialy. Nahafantaran’ny maro azy tokoa ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana tamin’ny alalan’ny otra. Azo lazaina fa efa tena maro tokoa ireo olona nahita fahasoavana sy notsaboina teny an-toerana. Ankoatra izay maha-mpitsabo nentim-paharazana azy izay ihany koa anefa dia fantatra fa olon’ny fiaraha-monina tanteraka ity vehivavy ity. Isan-karazany ireo olona mifanerasera aminy : mpanao gazety, mpanakanto, olo-malaza, eny fa na hatramin’ireo mpanao politika sy olona mitana andraikitra ambony eto amintsika aza. Manan-talenta hafa ankoatra ny fitsaboana olona koa mantsy izy, ao anatin’izany ny fanaovana « rugby » ary ny farany teo ny filalaovana sarimihetsika. Hatreto dia tsy fantatra mazava aloha izay tena antony nahafatesany fa raha araka ny nambaran’ireo olona akaiky azy amin’ny tambajotra sosialy, izay nolazain’ny fianakaviany, dia toa « misy zavatra mampiahiahy ao ». Izahay eto anivon’ny Midi Madagasikara dia mankahery sy mirary fionana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.
m.L




