Notrongisiny ny barazin’ny polisy nanakana azy ka hiroso amin’ny fisamborana. Nohitsiny koa ny iray tamin’ireo polisy ary saika maty raha tsy nahay niala. Izany no nitranga tetsy Analamahitsy ny alin’ny alarobia teo. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny fisian’ilay madama karohina izay nivezivezy teny an-toerana. Tena nitombina ny vaovao ary niroso tamin’ny fisamborana ny polisy no saika maty. Nodominy ny fiara ary nohitsiny ny olona. Vaky ny kodiarany fa notohizany ihany ary najanony tany aloha ny fiara dia notohizany hazakazaka ny làlana. Tsy hita nanomboka teo. Romotra ny polisy. Omaly izy ireo dia nametraka fitoriana noho ny fikasana hamono olona. Mandeha ny fikarohana andro aman’alina amin’izao ary vao mainka nohamafisina.
D.R



