- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMpividy finday halatra : Tratra tamin’ny alalan’ny fanaovana Facebook

Mpividy finday halatra : Tratra tamin’ny alalan’ny fanaovana Facebook

Fantatr’ilay tovolahy tsara fa finday halatra no novidiany ary nitadiaviny mpividy haingana mba tsy ho tratra eny aminy ilay finday. Nitory tany amin’ny polisy anefa ny tompon’ny finday very ka rehefa nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filamiana dia tratra ny olona nitana farany ilay finday. Ilay olona tratra farany indray no nanondro ilay lehilahy nividianany ilay finday. Notazonin’ny polisy ity olona tratra farany ity ary nomena fampiantsoana ilay nivarotra finday. Nangataka fiaraha-miasa taminy ny polisy izy ary nalefa nody mba hanondro ilay olona tena nivarotra entana halatra. “Rehefa lasa nody izy dia tsy izay no nitranga fa nanao nandefa tamin’ny Facebook tao anatina vondrona iray indray izy nilaza fa nomen’ilay tompona finday vola ny polisy hanendrikendrika azy ho nangalatra finday saingy tsy hita izay hitazonana azy ka navotsotra fotsiny izy. Nanjavona ihany koa izy tao aorian’io ary tsy tonga teny amin’ny polisy intsony”, hoy ny fanazavana. Voatery nitady azy ny mpitandro filaminana ka tratra teny Ambanidia ity tovolahy ity. Rehefa nanontaniana izy ny antony nanaovany fanaratsiana polisy tahaka izao dia nilaza izy fa te hanavotra ny tenany ao anatin’ity raharaha ity izy ary tsy nisaina intsony izay tokony ho ataony hany ka lasa. Ilay olona nolazainy fa nivarotra finday taminy kosa dia mbola tsy natorony ny misy azy. “Ny polisim-pirenena dia tsy mitsahatra ny manentana ny mpividy mba tsy hividy finday tsy misy « facture » hisorohana amin’ny tranga mateti-piseho toy izao”, hoy ny fanamafisana. Mety ampigadra ny fandraisana entana halatra sy ny fivarotana izany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici