- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPantekôty hieren-doza : Nahatratra 166 ireo voasambotry ny pôlisy

Pantekôty hieren-doza : Nahatratra 166 ireo voasambotry ny pôlisy

« Azo lazaina fa nilamina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny pantekôty » araka ny filazan’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, raha nanome ireo antontan’isa tao anatin’ny roa andro nankalazana iny fety iny izy ireo. « Pôlisy manodidina ny 5980 isa no nahetsika nandritra io roa andro io, eraky ny Nosy ary nezahina natao avokoa ny namenoana mpitandro filaminana tamin’ireo toerana rehetra mety hivorian’ny olona, na ny fiangonana io na ireo toerana fitsanganganana. Tsy hadino tamin’izany ihany koa ny fanaovana fisafoana andro aman’alina ireo faritra rehetra mafana ».

Heverina fa tratra ny tanjona tamin’ity taona ity ho an’ireo mpitandro filaminana, indrindra fa ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, raha ireo tarehi-marika nomen’izy ireo. Porofon’izay ny tsy fisian’ny halatra mitam-piadiana, nandritra izay roa andro fety izay. « 32 ireo trangana lozam-pifamoivoizana, nanerana ny Nosy, raha ny roa tamin’izany no nahafatesana olona. Manodidina ny 55 kosa ireo karazana halatra voaray teo anivon’ny pôlisy, toy ny vaky trano, halatra tsotra ary harom-paosy. Ary niisa 166 ireo voasambotra ka ny 56 tamin’ireo no teto Analamanga » araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ankoatr’ireo dia fantatra fa nahitàna trangana famaizan-trano ihany koa nandritra iny fety iny, izay niisa anankiroa. Fahamaizana izay, raha ny fanazavana azo, dia tsy nandratrana na namoizana ain’olona, saingy kosa naharavàna fananana. Tetsy andanin’izay kosa, faty miisa roa no nisy hita sy nampandrenesan’olona ny pôlisy tamin’ireo fotoana io.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici