- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilÀ lireSeranan-tsambon’i Toamasina : Namboly hazo ny mpiasa tao anatin’ny fetin’ny asa

Seranan-tsambon’i Toamasina : Namboly hazo ny mpiasa tao anatin’ny fetin’ny asa

Nisafidy ny andron’ny fetin’ny asa ny 01 may ireo mpiasa teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanao fambolena zanakazo. Zanakazo niisa 2.500 nonovolena tao anatin’ny alan’ny ala voajanahary tao Ivoloina mirefy 1,5ha teo.Nosafidiana manokana ny hazo ala fa tsy hazo tropikaly no novolena sy nosafidiana tao anatin’izany. Nosafidiana manokana ny ala arovana tao Ivoloina noho ity aty ala ity misy fahasimbana, ka tsy manana sakafo ho hanina intsony ireo biby arovana ao anatiny. Nosafidiana manokana ihany koa ny ala arovana ao Ivoloina noho izy ity misy mpiambina avy eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena “Madagascar Fauna groupe” izay miasa ao anatin’ity aty ala ny Ivoloina ity. Fantatra ary izao fa nisy tombony izany rah any taona lasa iny no jerena, satria tao anatin’ity ala ity ihany no nanaovana izany fambolena zanakazo izany; raha zanakazo 1.500 no novolenaao anatin’ny tany 1ha tamin’izay dia ny 60 tamin’ireo novolena ihany no maty, ka efavoasolo izany ny taona lasa ihany. Heverina fa ho toy izany koa amin’ity taona ity, mba hanatrarana ny tanjona napetraky ny orinasa SPAT hoe, “Madagasikara maintso no tanjona”. Ankoatra izany dia tena mpamoaka setroka manageja hafanana, na “gaz à effet de serre”, ireo sambo izay kirakirain’ny seranan-tsambon’i Toamasina; ka ho azy ireo dia ady mafy no ataony manomboka izao amin’ity fambolena hazo eto Toamasina ity,satria tany 03ha no tanjona manomboka izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici