- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDRAE Vakinankaratra : Namoaka ny Tetiandrom-pambolena mifanaraka amin’ny rotsak’orana

DRAE Vakinankaratra : Namoaka ny Tetiandrom-pambolena mifanaraka amin’ny rotsak’orana

Manampy betsaka ny tantsaha ny fananana tetiandrom-pambolena mba hafahana miomana mialoha sy mandrindra ny fambolena hatao mandritra ny taom-pambolena iray. Tsy afa-misaraka amin’ny famantarana ny mety ho toetry ny andro noho izany ny fambolena mba hampirindra ny voly tokony hatao.

Isan-taona dia misy hatrany ny famolavolana ity tetiandrom-pambolena ity manerana ny Nosy, fa ho an’ny faritra Vakinankaratra dia tontosa izany ny faramparan’ny herinandro lasa teo, tamin’ny alalan’ny atrikasa niarahana tamin’ny FOFIFA, ny CIRAD sy ny Sampandraharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro,  teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana eto Vakinankaratra. Izany no tontosa dia noho ny fanohanan’ny vondrona eropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa Dinaamic sy ny dP SPAD.

Noho ny fiovavaovan’ny toetry ny andro dia tsara raha manaraka ny tetiandrom-pambolena ny tantsaha, karazan-torolalana izy ity, manoro ny hoe amin’ny fotoana tahaka ny inona no tokony hamboly ary karazam-boly inona no tokony hatao. Miankina amin’ny faritra tsirairay no afahana manao ity tetiandrom-pambolena ity, satria tsy mitovy ny teo-tany sy ny toetry ny andro ary ny seha-pihariana amin’ny faritra tsirairay.

Ho an’ny faritra Vakinankaratra manokana dia ny voly vary, katsaka, tsaramaso sy voanjo no tena iantefan’ity tetiandrom-pambolena ity.

Ankoatra ny fametrahana ny tetiandrom-pambolena  dia miaraka amin’ny teknikam-pambolena ihany koa izy ity.

Raha fintinina noho izany, aorian’ny fanomezan’ny sampandraharaha misahana ny teotry ny andro ny mety ho vinavinan’ny rotsakorana mandritra ny taona iray dia azo avoaka ny tetiandrom-pambolena. Ny FoFiFa no mamoaka  sy manaparitaka  masomboly  mifandraika amin’izany. Masom-boly voafantina vokatry ny fikarohana.

Tsy mbola ampy anefa ny fanaparihana ny masom-boly voafantina sy ny fanentanana ny tantsaha hanaraka ny tetiandrom-pambolena na dia efa manao ezaka aza ny tompon’andrakitra.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici