- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNamono an’i Larissa : Nafindra eny Tsiafahy sy Antanimora

Namono an’i Larissa : Nafindra eny Tsiafahy sy Antanimora

Ny nitondràna ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha Larissa, hiakatra aty an-drenivohitra.

Gadra mandra-pahafaty no miandry ireo olona rehetra izay voamarina sy voapanga ho tompon’antoka tamin’ireo raharaha rehetra fahaverezana sy famonoana olona mitranga amin’izao fotoana, araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana, ary tsy maintsy alefa eny Tsiafahy. Tafiditra ao anatin’io ireo voasaringotra tamin’ny fakàna an-keriny sy famonoana feno habibiana an’i Larissa kely tany Ambositra. Ho fanatanterahana io fanapahan-kevitra io fa indrindra fa mba ho fitandroana ny filaminana ankapobeny sy hisorohana ny fahatezeram-bahoaka dia ny andron’ny alakamisy teo ihany dia efa nalaina tao amin’ny fonjan’Ambositra ireo olona efatra mianadahy voarohirohy ireo ary nampiakarina taty an-drenivohitra. Ireo roa lahy voalaza ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity no navantana avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ireo vehivavy roa kosa nalefa eny Antanimora. Marihana fa na dia nezahina ihany aza ny tsy hisian’ny korontana tany an-toerana dia tsy nanaiky ireo fokonolona fa mbola nanampatra ny hatezeran’izy ireo tamin’ny tranon’ny iray tamin’ireo voarohirohy, niaraka tamin’ny fivarotana. Norobain’ireo fokolonona ary nodoran’izy ireo, nony avy eo.

Raharaha telopolo isa

Raha ny fantatra hatreto, araka ny nambaran’ny Ministry  ny fitsaràna dia raharaha manodidina ny 30 isa no voarain’izy ireo, mahakasika ireo tranga ireo ka ny 12 amin’izany no efa voatsàra. Nanomboka ny volana janoary teo dia olona manodidina ny 256 no tsy hita, 175 kosa no efa tafaverina ary miisa sivy ireo namoy ny ainy. Efa maromaro kosa etsy andanin’izay ireo olona voarohirohy tamin’izany tranga izany no voasambotra : 14 any Mahajanga ary 23 ny ao Tsiafahy. Ao anatin’ireo ilay teratany vahiny tompona orinasa ao Ilakaka izay, voapanga ho mpaniraka olona haka zaza varira.

Mitàna ny sain’ny maro tokoa amin’izao ity resaka fahaverezana sy vono olona etsy sy eroa ity, izay lasa mampiroroa saina ny rehetra. Araka ny nambaran’ny fitondram-panjakana dia efa misy paik’ady sy fandraisana andraikitra ataon’izy ireo, izay hangatahana fiaraha-miasa amin’ny tsirairay ihany koa. Toy ny fiantsoana ny laharana 147 (maimaim-poana), raha misy tranga mampiahiahy. Na dia eo aza anefa izany dia toa mbola mitohy hatrany ny filazàna fahaverezan’olona, izay mameno ny tambazotra sosialy sy ny fahitàna fatin’olona etsy sy eroa, raha ny eto an-drenivohitra. Raha ny omaly fotsiny izao dia lehilahy roa no hita faty. Ny iray nihohoka tao anaty tatatra tetsy Andavamamba ary ny iray, hita manamorona iny lalana Rocade, Ankadidramamy iny. Efa ao anatin’ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici