Efa lasa fomba fiadin’ireo jiolahy amin’izao fotoana izao, ity mody manao « short » kely sy kapa ary miteny amin’ny fiteny avy any faritra rehefa manafika. Toy ity niseho omaly antoandro teny amin’iny faritra Namontana iny. Tranombarotra iray no notafihana enin-dahy mirongo basy sy zava-maranitra, toy ny sabatra sy antsy, ary manao an’ireo fitafiana voalaza etsy ambony ireo. Nirefodrefotra ny basy teny an-toerana. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra tamin’izany. Vola iray « sachet » no lasan’izy ireo, izay tombanana ho any amin’ny iray tapitrisa ariary any ho any. Tokony ho amin’ny 12 ora antoandro teo ho eo no tonga teny an-toerana ireto andian-jiolahy ireto, izay tsy nisy nanam-po tokoa ho olon-dratsy. Toy ny fanaon’izy ireo, dia tsy miara-miditra avy hatrany fa misy namany hafa mitily ny eny amin’ny manodidina. Nambaran’ireo nanatri-maso fa ny efa-dahy no avy hatrany dia nanambana basy sy nandrahona ireo olona tao anatin’ilay trano fivarotana, ary nitaky ny vola. Nentin’ny tahotra dia voatery nanome izay vola rehetra tao anatin’ny fitoeram-bola ny tompon’ny tsena. Rehefa azon’izy ireo izay nilaina, dia nitsoaka avy hatrany ireto farany. Ireo roa lahy mpitily kosa tetsy an-danin’izay no avy hatrany dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra. Nentina nampitahorana ireo olona teny amin’ny manodidina, ary angamba ho fanafenana ireo efa-dahy nitondra ilay vola. Ireto farany moa dia nitsoaka tamina fiara sy môtô efa niandry azy ireo tsy lavitra ilay toerana. Tamin’ny fitsoahan’ireo roalahy nitily tety ivelany ihany koa, izay nihazo elakelan-trano dia mbola nanapoaka basy izy ireo, saingy tamin’izany dia navantan’izy ireo tany amin’ny olona ny bala. Soa ihany anefa fa tsy nahavoa n’inona n’inona izany, fa niantefa avy hatrany teny amina vatana fiara niantsona teo amoron-dàlana. Taorian’izay moa no tonga ny mpitandro filaminana. Taim-bala efatra no tazana teny an-toerana. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.
Fa nitrangana fanafihana in-droa miantoana ihany koa teny amin’iny faritra Ankatso iny, ny harivan’ny alarobia lasa teo. Tranombarotra roa no indray notafihana telo lahy nirongo zava-maranitra. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra izany fanafihana izany. Ny vola rehetra matin’ireto fivarotana ireto nandritry ny andro kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Efa eny an-tànan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao.
m.L