Ny talata lasa teo, lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy, teny amin’iny faritra Namontana iny. Nahatratrarana toaka voarara manodidina ny 600 litatra teo ho eo tao aminy.
Loharanom-baovao no tonga teny am-poto-tsofin’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina mahakasika ny fisiana trano iray, izay fitehirizana sy ny fivarotana toaka gasy teny amin’iny faritra Namontana iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ka tra-tehaka, tsy afa-niala tao an-tranony ity lehilahy iray, izay mbola teo am-pamarotana izany. Rehefa nisy ny fisavàna natao, hoy hatrany ny vaovao dia nahitàna toaka mbola ao anatiny « bidon » 50 litatra miisa telopolo tao aminy, ka ny fito tamin’ireo no efa tsy nisy toaka intsony. Teo no ho eo ihany moa dia nogiazana avy hatrany ireto toaka voarara izay manodidina ny 600 litatra ireto ary nentina natao fanadihadiana ihany koa ny tompony.
Misotro toaka ! Raha ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana taminy dia mahavita mivarotra toaka gasy manodidina ny dimy « bidon » isan’andro ny tenany. Ireto toaka ireto moa, izay nalainy tany Alatsinainy Bakaro tamin’ny vidiny fito alina ariary ny iray « bidon » ary hamidiny sivy alina ariary rehefa tonga eto an-drenivohitra. Fiara mpitondra entana tsotra no mitondra ny toaka anaty « bidon » ary afenin’izy ireo any ambany entana, mba tsy ho tratry ny mpisava eny an-dalana. Efa fanindroany amin’izao no nanaovany io asa io, hoy hatrany izy tamin’ny famotorana saingy izao vao tra-tehaka ny zavatra nataony.
Marihana, hoy ny fanazavàna azo fa na dia eo aza ilay tolo-dalàna laharana faha-03/2019, mahakasika ny famelàna malalaka ny fanamboarana, fitehirizana ary famarotana ny toaka gasy, izay lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, herintaona lasa izay, dia mbola lalana maro no hizoran’izany vao azo lazaina fa manan-kery ilay lalàna. Hatreto anefa aloha, tsy mbola nisy ny fampahafantarana sy ny didy mampihatra izany, ka noho izay zavatra izay dia mbola ny lalàna teo aloha izay mandrara ny toaka gasy no mihatra. Etsy andanin’izay, ankoatry ny sazy izay miandry azy, na eo anivon’ny fitsaràna izany na ny lamandy amin’ny hetra tokony aloany, izay any ho any amin’ny iray alina ariary isaky ny litatra any ho any dia azo heverina ihany koa fa mety mbola hanenjehana ity lehilahy ity koa ny tsy fanarahana ny fepetra napetraka ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, ny amin’ny tsy tokony hisokafan’ireo toerana fivarotan-toaka.
m.L