
Roa andro ny naharetan’ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny tetikasa Dinaamicc teto Antsirabe nentina nijerana manokana ny fambolem-bary arahana fiompiana trondro. Delegasiona vahiny avy amin’ny vondrona Eropeanina eto Madagasikara sy avy ao Kaomoro, ny Aga Khan Foundation notronon’ireo mpiara miasa sy avy amin’ny ministeran’ny fambolena no natanteraka ity fitsidihana ifotony ity, mazava ho azy niaraka tamin’ireo tantsaha mpisehatra eo amin’ity tetikasa ity. Izany no natao dia ho fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fampitomboana ny vokatra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fampitomboana ny fidirambola isa-tokatranon’ireo fianakaviana tantsaha.
Natokana nitsidihana manaokana ireo teoram-pambolena toy voly vary andrana an-tanety, ny fitsihina laboratoara sy fifaneraserana tamin’ireo tantsaha eny ifotony ny andro voalohany, ny datin’ny 3 Aprily 2025 lasa teo, raha toa ka varavarana misokatra ho an’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba fiasa sy ireo fanatsarana ilaina amin’ny fampandrosoana maharitra mba hisy fiantraikany mivantana amin’ireo tantsaha ny andro faharoa. Marihina fa ny vondrona Eropeanina no mamatsy vola ny tetikasa, maro no mpiara miombon’antoka sy mpikaroka miara miasa amin’ny tetikasa toy ny Cirad, ny FOFIFA raha tsy hitanisa afa tsy ireo, eo ihany koa ny mpisehatra amin’ny fampandrasoana, ny GSDM, ny APDRA, ny FIFATA sy ny maro hafa.
Nambaran’ny teo anivon’ny ministera fa miara miasa akaiky amin’ny famantarana ny toetry ny andro ihany koa ny tetikasa tahaka itony satria manampy betsaka ireo tantsaha ny fahafantarana ny mety ho vinavianan’ny toetry ny andro hafahana mandray fepetra mialoha. Andry N.