- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaha 100 taona ny tily eto Madagasikara : nandray ny lakam-panabeazana ny...

Faha 100 taona ny tily eto Madagasikara : nandray ny lakam-panabeazana ny tily teto Antsirabe

« Mandehana amin’izao herinao izao…dia tanteraho ny fanompoanao » io tenin’ny soratra masina io no teny faneva entina manamarika ny faha 100 taonan’ny Tily eto Madagasikara. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny jobily  faha 100 taona nisiany ny Tily amin’izao ary tsy mitsahatra manamarika izany ireo mpisehatra namin’ity fikambanana ity.

Nandalo teto Antsirabe ny lakam-panabezana ny faraparan’ny herinandro lasa teo. Ny lakam-panabeazana dia mampiseho ny fanamafisana ny fifanajana sy fifankatiavana eo amin’ny samy mpikambana ary indrindra hanamafisana ny fanantonana ny fanantonana an’Anandriamanitra. Fantatra rahateo fa fikambanana mihorina ao anatin’ny fiangonana Kristianina ny Skotisma ka rariny raha fitazaina amin’ny alalan’ny finoana an’Anandriamanitra ny hanabezana ireo ankizy sy tanora.

Noraisina tao amin’ny ivo-toerana I-votika tao amin’ny faritra Vakinankaratra ity lakam-panabeazana ity ny Alarobia 10 Aprily lasa teo, nandray izany ny governoran’ny faritra izay mpisehatra amin’ity fitazaina ity rahateo. Nitarika ireo delegasiona kosa ny filohan’ny faritany Tily Antsirabe, sefo Randrimanarivo Alain.

Nisy ny fanaovan-tsonia tamin’ny boky volamena nandritra ny fandalovan’ity lakam-panabeazana teto Antsirabe ity. Hihazo an’ny Menabe kosa ny lakam-panabeazana aorin’ny fandalovany eto Antsirabe izao.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici