Telo raha kely indrindra. Izay no isan’ny kodiaran-droa very tao anatin’ireny oram-be nentin’ny andro ratsy Dikeledi farany teo. Tetsy Ambohimangakely dia nisy scooter very kanefa mihidy tsara ao anaty trano fonenana. Toraka izany koa tetsy Ambohibao-Antehiroka, nanjavona koa ny scooter mihidy tsara. Dia mbola scooter ihany koa no tsy hita tetsy amin’ny tanàna antsoina hoe Fiakarana, etsy Anosiala-Ambohidratrimo. Nisy ny naka alika mpitsongo dia ary dia efa manombonomboka misoritra ny fanadihadiana tamin’io tranga farany io. Samy moto tsara ambina daholo ireo kanefa dia mbola vitan’ny olon-dratsy ihany ny naka azy. Nohararaotina ny oram-be mba tsy hahenoan’ny tompon-tanàna na inona na inona ary dia tena nahomby tokoa izany. Mbola mitombina hatrany ny fomba fiadin’ny jiolahy dia ny fanànan’izy ireo mpitsikilo izay tena mahafehy ny mombamomba ny fiainan’ny olona horobaina. Matoa izy ireo sahy niditra ao an-tanànan’olona dia efa hainy ny kisariarin’ny ao anatiny, hatramin’ny toerana hitsoahana aza raha sendra taitra ny tompon-trano. Eo no ilaina fahamailoana hatrany avy amin’ny tsirairay, indrindra raha misy olona tsy fantatra kanefa hitahita matetika eo amin’ny manodidina.
D.R