Nisy hain-trano niseho teny amin’ny faritry Nanisana, ny alin’ny 17 septambra tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Vokany, fivaron-kazo iray no nirehitra. Rehefa notombanana ny fatiantoka, dia nahatratra hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ar ny tetibidin’ny entana may. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy na ny naratra tamin’io alina io na dia nahery vaika aza ny afo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa nisy andrin-jiro iray nanao « court circuit » teny amin’ilay toerana. Tsy nijanona teo anefa izany, fa niteraka firehetana ka niafara tany amina fivarotana hazo tsy lavitra teo. Raha vao niseho ny loza, dia tonga teny an-toerana ny tomponandrikitra isan-tsokajiny, anisan’izany ny zandary avy ao amin’ny borigady Tana/ville Betongolo sy ny polisy mba hisorohana izay fanararaotana mety hiseho. Hita teny an-toerana koa ny mpamono afo. Tsy dia naharitra ela fa tokony ho tany amin’ny 3 ora tany ho any dia voafehy ny afo.
r.s.