- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversNanisana-Ivandry-Bypass : Mpirevy, mpampiady akoho nosamborina

Nanisana-Ivandry-Bypass : Mpirevy, mpampiady akoho nosamborina

Tao ny mbola niaraka tamin’ny gitara sy toaka kely. Tao koa ny nitondra ny akohony ary nampiady izany. Nisy indray ny nandehandeha tamin’ny moto ary niara-nifoka rongony teny amin’ny milamindamina. Olona  11 no nosamborin’ny polisy noho ny tsy fanarahana ny lalàna mifehy ny hamehana ara-pahasalamana. Niainga teny Nanisàna izany ary nosamborina niaraka tamin’ny…akohony ireo mbola sahy nitangorona niloka nampiady ireo biby. Teny Ivandry indray, dia tovolahy roa mbola niaraka tamin’ny gitara no tsy nisalasala ny niteny fa mba hanala azy kely izy ireo. Noraofina avokoa ary nentina tany amin’ny kaomisaria izy ireo. Ny tetsy amin’ny Bypass indray dia nisy telo lahy nifamotoana nandeha kodiaran-droa. Rehefa avy nandehandeha kely tamin’ny moto ireo, dia nijanona teo Amoronankona ary nisotro sy nifoka zava-mahadomelina. Nifanandrify tamin’ny fandalovan’ny mpitandro ny filaminana izany ary dia noraisim-potsiny teo ireo. Rehefa nandeha ny fisavàna dia mbola nahitana rongony amin’ny fonosana maromaro tany amin’izy telo lahy. Ahiana ho sazy am-ponja ny azy ireo raha sazy famaizana no an’iretsy nosamborina ary notantaraina etsy ambony. Ankoatr’izay, dia mbola nisy koa ny fisamborana faobe nataon’ny polisy tetsy Itaosy. Ireo indray dia ny tompon’ny « bar » sy ny mpanjifa tao anatiny. Mihidy tanteraka ilay toeram-pisotroana raha jinery avy aty ivelany. Saingy tsy voafehin’ireo olona ny kotaba sy korana izay heno hatrany amin’ny arabe manamorona ilay « bar ». Nanintona ny polisy izany ary rehefa nohamarinina dia feno olona nisotro toaka tokoa tao anatiny. « Tsy nisy adihevitra fa dia nosamborina ary naiditra « violon » avokoa izy rehetra » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Ny ankamaroan’ny olona, raha araka ny polisy ihany, dia mandainga fa hamonjy tokantrano avokoa ny anton-diany. Vao dify anefa ireo mpitandro filaminana, dia efa mivorivory etsy sy eroa ny sasany. Sarotsarotra ny fifehezana ny olona mihiboka ara-bakiteny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici