jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversNanisàna : Mpamaky fiara tratra ambodiomby

Nanisàna : Mpamaky fiara tratra ambodiomby

Efa tsy tahotra tsy henatra intsony ny an’ity olon-dratsy, mpamaky fiara fa dia antoandro be nanahary no manao ny asa ratsiny tetsy Nanisàna ny alarobia lasa teo. Tra-tehaka ary tsy afa-nandà intsony ranamana teo am-pisokirana ilay « autoradio » tao anaty fiara. Tsy vitsy amin’ireo fiara mipetraka amoron-dalàna tokoa amin’izao no ataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Na dia mihidy tsara sy misy ireny karazana anjomara fanairana ireny aza dia hain’ireo tontakely hatrany ny tsy mampaneno izany sy ny fomba  hidirany ao anatin’izany. Mazàna dia amin’ny alina na amin’ny fotoana tsy mahabe olona no hanaovan-dry zalahy azy. Ity tetsy Nanisàna ity dia angamba nanantena fa tsy nisy nahita ny zavatra ataony sa hoe diso nitoky loatra tamin’ny  « maso be tsy mahita », izay matetika toa fampiasan’ireny olon-dratsy ireny, ka andro mbola mazava sy toerana be olona no nisokirany an’ilay fiaran’olona nipetraka tsara. Tsy taitra mihitsy ny anao lahy fa toy ireny hoe olona manamboatra fiara ireny, rehefa tafiditra tao anatin’ilay fiara novakiany izy. Ny olona nahatsikaritra ny zava-nisy teny an-toerana no niantso sy nampandre ny manodidina ary ireo mpitandro filaminana niasa tsy lavitra teo. Nikoropaka nitsoaka avy hatrany Ingahy tontakely ary nifanenjehana. Taty akaikin’ny lalam-baovao vao tratra. Mbola hita teny aminy moa ny autoradio nangalariny ary ireo fitaovana marobe fentiny manao ny asa ratsiny. Rehefa vita moa ny fanadihadiana ity lehilahy ity dia efa natolotra ny fampanoavana izy ka nampidirina am-ponja vonjimaika mandram-piandry ny fitsarana azy.  « Anterina hatrany ny fanentanana ho antsika rehetra mivoaka ny trano mba ho mailo hatrany fa ny ratsy akory tsy kely lalana », hoy ny fanantenana nataon’ireo pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici