- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNanisàna : Norobaina avy eo nodorana ny tranon’ilay mpanamory

Nanisàna : Norobaina avy eo nodorana ny tranon’ilay mpanamory

Tokantrano iray, izay voalaza fa an’ny mpanamory fiaramanidina, no niharan’ny habibian’olon-tsy fantatra ny alahady maraina lasa teo, tao Nanisàna. Rehefa avy norobaina sy nahaverezana zavatra sarobidy maro tao an-trano dia nodoran’ireo olon-dratsy ny efitra maromaro tao ambony.

Azo heverina tsara fa doro trano niniana natao izy io, nanakonana ny fangalarana natao, hoy ny  avy eo anivon’ny zandary nandray an-tanana ity raharaha ity. An-tapitrisany maro dia maro tokoa ny teti-bidin’ireo zavatra very sy entana may tao amin’ity tokantrano iray tao Iadimbola Nanisàna ny alahady maraina tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahefany teo. Firavaka volamena maromaro miampy vola vahiny mitentina eo amin’ny 500 euros eto ho eo, solosaina fentin-tanana efatra niaraka tamina « ecran plat » ary fitaovana elektronika isan-karazany momba ny resaka fanamoriana fiaramanidina. Tsy vitan’ireo ihany anefa fa mbola nisy fitaovam-piadiana, basy poleta PA Walther P22 niaraka tamin’ny fitoeram-bala roa, izay nisy bala 14 isa, ihany koa no very tamin’io fotoana io. Taorian’io halatra bevava nitranga io moa dia nodoron’izay tompon’antoka tamin’izay ny trano. Tsy nisy noraisina ireo entana rehetra tany amin’ireo efitra maromaro tany ambony rihana, araka ny fanazavàna azo. Ireto farany nidonan-tsetroka moa no nanaitra ireo manodidina ary samy niezaka namonjy sy ny namono ny afo avokoa ireo fokonolona teny an-toerana. Nampian’ireo mpamonjy voina, izay tonga ara-potoana teny an-toerana. Vetivety ihany dia voafehy tanteraka ny afo tamin’io fotoana io. Marihana fa tsy nisy olona tao amin’io trano io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika doro trano natao fanahy iniana ity. Raha ny fantatra dia toa hoe efa misy olona ahiahiana ho nahavita sy ao ambadik’izao habibiana izao. Ity olona ity rahateo dia nitsoaka sy tsy hita hatramin’izao. Efa mandeha ny fikarohana amin’izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici