Fiara iray mitondra ny marika Golf Type 2, miloko mainty no naka sisin-dàlana ary nijanona teo amin’ny maizimaizina izay noheverin’ny mpamily angamba fa tsy misy mpahita sy mpanelingelina. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina no nitrangan’izany tetsy amin’ny manodidina an’i Nanisana. Tamin’io fotoana io koa no nisy mpitandro ny filaminana roa lahy nanao fanamiana saingy nandeha fiara tsotra. Nahatsikaritra zavatra hafahafa ireo ary nijanona avy hatrany. Inona tokoa fa rehefa nojerena tao anatin’ilay fiara mainty dia hita fa nisy fihetsika mamoafady nataon’ny olona roa, lahy sy vavy. Raràn’ny lalàna tanteraka izany ary mazava ho azy fa niditra an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana, saika hisambotra. Nivadika tanteraka anefa ny asa raha namoaka basy ilay lehilahy tao anaty fiara. Tsy vitan’izany fa napoakany io basy io. Rifatra nitsoaka namonjy ny ainy ireo mpitandro ny filaminana roa lahy. Torak’izany ihany koa, nanararaotra izany izy roa tao anaty fiara nitsoaka. Satria tao anatin’ny haizina mikitroka no sady mainty ihany koa ny fiara, dia tsy hita na ny laharan’ilay Golf aza. Dia vita hatreo fotsiny izany ny raharaha. Raha ny fanazavan’ny olona sasantsasany monina eny an-toerana dia mateti-pitranga ny fisian’ny fiara maka maizimaizina. Toraka izany ihany koa, efa hain’ny mpitandro ny filaminana izany ary matetika mivezivezy eny an-toerana izy ireo ary mandamina ny resaka rehefa mandeha ny kolikoly. Mampigadra avy hatrany mantsy ny heloka mamoafady ary avy hatrany dia porofo mitohoka amin’ny tenda ny fahitànan’ny mpitandro ny filaminana maso an’izany. Azo heverina fa tamin’ity indray mitoraka ity dia samy saika hanao lalan-dririnina ny roa tonta. Kinanjo nivadika tanteraka ny rasa…
D.R