Isan’andro dia tsy maintsy misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana mahavoa ny mpandeha kodiaran-droa. Omaly dia naratra mafy ny mpanamory ny taxi-moto sy olona mpanjifa izay nentiny. Teo Nanisàna, tao anatin’ny maha-betsaka ny fifamoivoizana no nifandona ny fiara tsy mataho-dàlana iray sy ilay taxi-moto. Voahitsaka ary tao ambany fiara no nalaina ireo olona roa. Haingana ny olona nifanampy ary nobataina avy hatrany tao anaty fiara ary nentina teny amin’ny hopitaly izy ny naratra. Ny fiara nandona kosa tsy afaka nahetsika aloha mandram-pahatongan’ny mpitandro ny filaminana nanao fitsirihina mba hanaovana tatitra sy hanokafana fanadihadiana. Be loatra ny loza an-dalambe miantraika amin’ny mpandeha moto. Vao ny talata teo koa raha tsiahivina no nisy vehivavy namoy ny ainy tetsy amin’ny Bypass rehefa voahitsaky ny kamiao.
D.R




