- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNanjavona herinandro : Hita teny Ambohimalaza ireo mpianatra enina

Nanjavona herinandro : Hita teny Ambohimalaza ireo mpianatra enina

Nandeha ny fikarohana tamin’ny fomba ôfisialy rehefa nampandre ny pôlisy misahana ny heloka mahakasika ny zaza tsy ampy taona ny ray aman-drenin’ireo zaza ary koa ny toeram-pianarana. Maty avokoa ny findain’ireo adolantsento izay 13 ka hatramin’ny 16 taona, iray vavy ary dimy lahy. Niala teto an-drenivohitra izy ireo ary nizotra nankany Ambohimalaza. Raha araka ny fanampim-panazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia nisy trano iray nipetra-potsiny izay an’ny iray amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy tany an-toerana. Tsy nahafantatra ny zava-nitranga ny mpiambina ary vao nahita ny zanaky ny tompon-trano dia tsy nametraka olana. Tsy nivoaka tao mihitsy izy ireo ary nanao fiainana tanteraka. Manao afon-dasy amin’ny alina ary mifaly havanja. Ny antoandro indray dia manao sakafo toa ny olon-drehetra ary samy manao izay mampifaly ny fony. Izany no niain’izy ireo nandritry ny andro vitsivitsy. Tamin’io fotoana io anefa dia efa nipenimpenina tanteraka ny teto Andrenivohitra, indrindra ny ray aman-dreny sy ny havany. Efa nozaraina tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’izy enina mianadahy ary niparitaka tetsy sy teroa izany nony avy eo. Efa niodina nikaroka eran’Antananarivo ihany koa ny pôlisy saingy nandamoaka izany.

Nifaly havanja. Samy nanana izay noeritreretiny avokoa ny rehetra ary efa nanomboka nizotra tany amin’ny eritreri-dratsy aza izany, toa ny hoe halatra taova sy fanondranana olona an-tsokosoko. Zava-misy rahateo izany eto amintsika na dia tsy mety tonga hatramin’ny farany mihitsy aza ny fanadihadiana. Inona no tena nahatonga ireo zaza nitsoaka tao an-tranony ? Ny mpitandro ny filaminana hatrany no nilaza fa niainga tamin’ny fahatezeran’ny iray tamin’izy ireo rehefa bedin’ny ray aman-dreniny ny raharaha. Tezitra io farany dia nitantara ny zava-nitranga tamin’ny olon-tiany, izay iray amin’ireo enina ihany. Niampita ny resaka ary samy resy lahatra ny hiala kely eto Andrenivohitra aloha, haka rivotra kely. Raikitra ary fa any Ambohimalaza no aleha noho ny fisian’ny trano mipetra-potsiny. Tsy nisy toaka hitanay na koa zava-mahadomelina, raha ny filazan’ny pôlisy. Mbola teo am-panaovana sakafo aza ireo zaza tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana, ny alin’ny alarobia teo izany. Ny amin’ny nahafantarana fa tao amin’io trano io izy ireo dia sendra mba nanontanintany ny olom-pantatra teo an-toerana ny ray aman-dreniny iray izay efa very hevitra tanteraka. Nilaza ny fisian’ny adolatsento maromaro mipetraka ao amin’ilay toerana ireo. Teo no ho eo ihany dia naira-nidina tamin’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana izy ireo ary hita teo avokoa ireo zaza. Iza  no omen-tsiny rehefa mitranga ny raharaha toa izao?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici