- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Naolan’ny mpitaiza azy ny zaza

Miarinarivo : Naolan’ny mpitaiza azy ny zaza

Nosamborina ary nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ny Miarinarivo rehefa vita ny fanolorana azy tamin’ny fampanoavana tao an-toerana. Lehilahy 26 taona izay efa manambady no tompon’antoka. Etsy ankilan’izay, manana zaza tezàina ao an-trano izy mivady, zazavavy 14 taona. Toa efa nomanin’ilay rangahy ny tsy nahateo ny vadiny mba hanatontosany ny filan-dratsiny. Nanamparany ny herisetra ara-nofo. Tsy voaafin’ilay lehilahy intsony ny zava-nitranga satria efa azo lazaina ho tovovavy tonga saina ihany ny voaolana. Afaka nitantara tsara izay nanjo azy. Tonga teny amin’ny polisy ny fitarainana ary niainga teo ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny fisamborana ilay lehilahy. Ao amin’ny fonjan’ny Miarinarivo izy izany no miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Tsy an-kijanona mihitsy ny fisian’ny raharaha mahakasika ny herisetra ara-nofo na dia efa nohenjanina faran’izay mafy aza ny sazy ho an’ireo mpanolana. Efa lany teny amin’ny antenimiera roa tonta ny sazy famosirana ireo izay voaheloka ary miandry ny didim-pitondràna fampiharana izany sisa. Ny any am-ponja efa tena maro ireo voarohirohy ho mpanolàna ankehitriny no miandry ny fitsaràna azy ireo. Fitsaràna izay tsy hisangy satria anisan’ny laharam-pahamehana ny fijerena manokana ny raharaha herisetra ara-nofo. Na eo aza anefa izany dia toa mbola misy sahy manao ity karazan-keloka ity ihany. Mihevitra angamba izy ireo fa mbola famonjàna tsotra ihany no miandry azy ireo raha sendra tratra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici