dimanche, avril 20, 2025
AccueilPolitiqueAntsirabe : Napetraka tamin’ny toerany ny filohan’ny fitsarana vaovao

Antsirabe : Napetraka tamin’ny toerany ny filohan’ny fitsarana vaovao

Notokanana ny birao manokana misahana ny firaketandraharaha.

Lanonona roa sosona no notanterahina tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Antsirabe ny datin’ny 13 Martsa 2025 lasa teo. Ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana vaovao Atoa Razafimarolahy André sy ny filohan’ny fitsarana ara barotra vaovao Rtoa Rakotonirina Miharizo, ity farany dia rafitra vaovao eo anivon’ny fitsarana. Laharam-pahamehana ho an’ny filohan’ny fitsarana vaovao ny ady amin’ny heloka bevava, tafiditra ao anatini’izany ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny herisetra amin’ny maha lahy na maha-vavy, ny fanolanana , ny fakana ankeriny sy fanaovana takalonaina, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Ankoatra izay ny fanafangainana ireo raharaham-pitsarana  sy ny fampidinana ny tahan’ny olona voafonja vonjima araka ny vinan’ny Ministeran’ny fitsarana rahateo. Notsidriny ny fampiroboroana ny fitsarana mitety vohitra.Rafitra vaovao napetraka ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny fitsarana ara-barotra, asan’ity rafitra ity ny mandinika sy manapakevitra amin’ny raharaha ara-barotra, ohatra amin’izany ny fifandirana eo amin’ny orinasa sy ny mpaninjara, ny fifanarahana tsy voahaja ary ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fitsarana no mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Rakotomandimby Benjamin Alesix. Notokanana tamin’ity lanonana ity ihany koa ny efitrano vaovao “Guichet Unique du Greffe” na birao manokana misahana ny firaketandraharaha.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici