Akademia Miaramila Antsirabe : Natolotra ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra
Andiany mivantana faha 47 no misy azy ireto, 62 mianadahy no isany, natolotra ambany faneva izy ireo ny zoma 29 Novambra lasa teo rehefa avy nandalo sedra maro sy dingana samihafa indrindra ny nahavitana ny fiofanana fototra maha miaramila ka izao natolotra ambany faneva izao, manomboka eto dia tafiditra ao anatin’ny fianakaviam-ben’ny foloalindahy Malagasy izy ireo. Nitaraika ny lanonana ara miaramila ny Jeneraly Ratsarahevitra Andriamiseta, kaomandin’ny Acmil.
Ny minisitry ny foloalindahy Ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin kosa no tonga nanome voninahitra ny fotoana sy nitso-drano ity andiany faha 47 ity. Noamafisiny tamin’ny fandraisam-pitenenany fa masina ny tanindrazana ary andraikitra goavana no miandry ireto mpianatra ho manamboninahitra ireto .
Fametrahana vato fototra ho an’ny asa fanatsarana ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny faripiadidiana Miaramila Antsirabe na ny FSFA2 “Formation Sanitaire des Forces Armées Numero 2” no namaranana ny fotoana taorian’ny matso nataon’ireo manamboninahitra.
Andry N.