- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Niady sipa, nosamborina ireo adolantsento 12 

Toamasina : Niady sipa, nosamborina ireo adolantsento 12 

Nanokafana fanadihadiana

Raikitra ny rombo. Ny antony dia niady sipa ireo mpianatra teo anivon’ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana. Ary tena ady lehibe izay tsy nijanona raha tsy niditra an-tsehatra ny zandary ary nisambotra. Miisa 12 ny adolantsento nosamborina satria nahery fihetsika. Nampanantsoina koa ny ray aman-drenin’izy ireo mba hanatrika fanadihadiana satria mbola tsy ampy taona ireo ankizy. Samy niaiky ny hadisoany izy 12 lahy ary dia ny anatra no natao betsaka ary koa ny fampitandremana ireo ray aman-dreny mba hanara-maso tsara arak’izay azo atao izay ataon’ny zanak’izy ireo. Na izany aza anefa dia mbola nitohy ny fanadihadiana ireo ankizy ary eo no hanapa-kevitra ny tompon’andraikitra misahana izany na hatolotra na tsia ny fampanoavana ny raharaha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici