- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanamifafy-Maevatanàna : Nirongo basy ny dahalo, zaza mainty iray no maty voatifitra

Tanamifafy-Maevatanàna : Nirongo basy ny dahalo, zaza mainty iray no maty voatifitra

Nanakoako eran’ny tanàna ny poa-basy, rehefa nigadona tao amin’ny toerana antsoina hoe Tanamifafy, fokontan’Anjiakely, kaominina ambanivohitra Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ireo dahalo tsy voafaritr isa, ny alakamisy faha-15 may 2024 teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ka zaza mainty iray no maty voatifitra, raha naratra voan’ny bala ihany koa ny zaza fotsy iray hafa. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia tonga nanafika tao amin’io toerana voalaza etsy ambon’io ny jiolahy, izay nirongo basim-borona maromaro tsy hay isa. Rehefa tafiditra tao ireo olon-dratsy, dia nanapoaka basy, nentina handemena ny olona tsy afaka hivoaka ny tranony, ka tao ireo nanampina varavarana sy namaha ny omby tao am-bala. Tamin’izay indrindra no nisy tanora mpilatsaka an-tsitrapo, miady amin’ny asan-dahalo, tao amin’ilay tanàna nivoaka nalaky tamin’ny trano fonenany, sady namaly hiady an’ireo jiolahy. Teo no raikitra ny fifandonana, ka maty voatifitra ny zaza mainty iray, naratra voan’ny bala ihany koa ilay Za fotsy. Tsy niandry ela ireo malaso, rehefa nahita faty nitsirara tamin’ny tany, fa tonga dia nandeha nitsoaka niaraka amin’omby roapolo. Lasa efa atsasak’adiny ny dahalo vao, samy nivoaka ny tranony ny mponina, saingy efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina no tazan’izy ireo, niampy an’ilay zaza fotsy naratra. Nifamory nalaky ny vatan-dehilahy hanohy ny fanarahan-dia,  ary nentina namonjy hôpitaly be aty Maevatanàna kosa ny naratra. Niroso niatsinanana nihazo ny tanànan’i Berivotra 5/5 ny dian’ireo jiolahy nitondra ny omby halatra. Nomena ny fianakaviany avy hatrany ny nofo mangatsiakan’ny maty.  Mitohy ny fanohizana ny farahan-dia hatramin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici