Mahamay tanteraka ary efa mitady handoro ara-bakiteny ny grevy ateraky ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny tetsy amin’ny 67Ha fotsiny dia efa tonga tamin’ny fikasàna handoro ny fivarotan-tsolika iray teo an-toerana ny fihetsiketsehana. Tsy vitan’izany fa efa nandeha avokoa ny tora-bato ary nisy naratra aza ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny sakoroka. Tsy sangisangy intsony izy ity fa mitady vahaolana maika sy maharitra ireo olona marobe izay efa nijaly tamin’ny fahatapahan-jiro sy rano efa amam-bolana maro izy izay. Betsaka ny fiara no vaky fitaratra, toa ny iray izay mpanatitra mpiasa mody alina. Simba tanteraka ny « pare-brise » an’ilay Sprinter rehefa voatora-bato. Midika izany fa na ny olona tsy manan-tsiny aza dia lasa niharan’ny hatezeram-bahoaka koa ary raha izany no mitohitohy dia ahiana ny ady eo amin’ny samy sivily. Isan’alina dia misy hatrany ny fivoahan’ny olona ary miovaova hatrany ny kartie. Tetsy Itaosy koa dia raikitra ny fandorana kodiarana. Zara raha afaka nihetsika ny fiara sy ny kodiaran-droa izay nampiasa ny làlana ary efa tera-tsemboka ny olona tao anatin’ireo fitaovam-pifamoivoizana ireo sao sendra mivadika tampoka ireo mpanao fihetsiketsehana ka hifatratra any amin’izy ireo ny rihitra. Nisy zazakely anefa tao anatin’ny fiara maro satria lera fodiana no nitranga ny grevy. Tsy misangy intsony ny olona ary na dia tsy nisy mpitarika aza dia nivoaka ho azy. Tsy niandry politika intsony dia efa feno grevy erak’andrenivohitra isan’alina. Hatreto dia tsy misy vokany ho an’ny mpampiasa Jirama izay vahaolana rehetra noraisin’ny mpitondra. Na niparitaka aza ireo ranobe taterina amin’ny kamiao dia mbola andoavam-bola koa ny fampiasàna olona miandry rano sy hitatitra izany. Ary tena maharary ny olona satria efa tonga hatrany amin’ny roa arivo ka hatramin’ny enina arivo ariary ny mitatitra bidon iray any amin’ny toerana sasany. Ny fahatapahan-jiro indray dia efa tsy lazaina intsony. Ao ireo simba fananana satria miakatra be tampoka ny tanjaky ny herinaratra rehefa miverina kely izany. Ao koa ireo orinasa maro izay voatery nanamboatra ny lera fiasàna arakaraka ny fahatapahan-jiro. Betsaka araka izany ny fatiantoka. Hatreto anefa mbola maizina tanteraka ny tena vahaolana, na ny orana aza nihantona ary miaina anaty setroka sy rivotra maloto Antananarivo sy ny manodidina ary zara raha misasa sy misotro rano ny olona no mbola miaina anaty haizina koa. Kely sisa dia toa ireny miaina anaty tany miady ireny…
D.R