Niravina ny olana. Nivoatra isan’ora ny fifampiresahana omaly. Nanaiky ny niverina amin’ny asany andavanandro ireo fikambanan’ny mpamily sy mpamily mpanampy. Izany dia noho ny fifampihainonoana teo amin’izy ireo sy ny delegasiona mafonja avy amin’ny fanjakana izay notarihan’ny tonian’ny fampanoavana tao Toamasina. Amin’ireo mpamily dia ny fihainoana azy ireo no tena zava-dehibe fa tsy ny famoahana didy entina hanerena iretsy voalohany hiasa. Omaly tapakandro maraina dia mbola nitoetra ny fe-potoana 48 ora hiverenana miasa ary gravy aorian’izay. Nipaika indray ny tolakandro dia tapaka indray fa hanao ny asa faran’izay kely na “service minimum” izy ireo. Nanomboka hariva ny andro dia niova izany ary tapaky ny besinimaro fa hatsahatra ny fitokonana ary hiverina amin’ny asany andavanandro ireo mpamily. Omaly ihany dia efa niverina ny fandraisan’ireo andraikitra any amin’ny famatsiana solika erak’I Toamasina sy ny faritra hafa. Na izany aza anefa dia mbola miandry ny fanapahan-kevitra izay horaisin’ny fampanoavana eto an-drenivohitra izy ireo rehefa entina eo anoloany ireo olona 20 izay voarohirohy ho nangalatra solika. Raha tsiahivina dia efatra ny mpamily amin’ireo, 11 ny mpamily mpanampy ary mpiasa eo anivon’ny toerana fitehirizan-tsolika ao Toamasina ny ambiny. Mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohira no nanao ny fisamborana rehefa nisy ny fitarainana amin’ny halatra solika. Amin’ny fikambanan’ny mpamily anefa dia tsy mitombina ny halatra raha toa ka mbola ao anatin’ny faritry ny fitehirizan-tsolika ny fiara. Teo no nanomboka ny disadisa izay niafara tamin’ny fitokonana. Etsy ankilan’izay, mbola takian’ny mpamily sy mpamily mpanampy koa ny tsy hisian’ny “camera de surveillance” ao anatin’ny kamiao izay entin’izy ireo. Ekena raha any amin’ny faritra misy ny solika fa kosa tsy anoloan’ny fiara sy ao anatiny, hoy izy ireo. Mihodidina eo amin’izay ny fifampiraharahana ankehitriny izay mety mbola hisy fivoarany rehefa mivoaka ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana momba ireo voatazona.
D.R