mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversGasoil mitampoka : Nosamborina hatramin’ny deba mpampiasa vola

Gasoil mitampoka : Nosamborina hatramin’ny deba mpampiasa vola

Ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo no mitory. Nihazakazaka ny fanadihadiana ary olona 23 no voasambotra tao anatin’ny raharaha fivarotana gasoil hosoka, izany hoe gasoil mitampoka. “Tambajotra goavana mihitsy ary mampiasa fitaovana avolenta sy teknolojia mba hanovana ny solika fandrehitra ho toy ny solika fampiasa amin’ny motera”, raha araka ny fanazavan’ny zandarimaria etsy Fiadanana. Tamin’ireo olona 23 dia misy ny mpiabata entana, ny mpitatitra, ny mpivarotra, ny mpiasa mpanodina sy ny maro hafa. Fa isan’ny voasambotra koa ny mpandraharaha tompon’ny ketrika maloto sy mampiasa vola ao anatin’ilay tambajotra. Misy sivy izy ireo ary efa am-pelatànan’ny zandary ihany koa. “Miteraka fanimbana goavana eo amin’ny tsenam-barotry ny fandraharahana solika ara-dalàna izany ary indrindra fa manimba tanteraka ireo motera mampiasa izany akora sandoka izany ka tsy maintsy nandraisana fepetra haingana”, raha araka ny zandary hatrany. Raha ny akora afangaron’ireo olon-dratsy ao anatin’ny solika tokoa mantsy dia misy hatramin’ny asidra. Izany rehetra izany dia hamotika faran’izay haingana ny fiara mampiasa ilay solika sandoka ary hanimba ny toekarena. Nampiferina aina ny maro ity raharaha ity, satria iaraha-mahalala ny saran’ny fanamboarana motera ho an’ny fiara. Rava ihany ilay tambajotra… 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici