
Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ireo hetsika rehetra entina hanamarihana ny tolom-panafahana nataon’ireo Malagasy tia-tanindrazana nentina nanoherana ny mpanjanantany teto Madagasikara. Nanome voninahitra ity lanonam-panjakana sy nanokatra izany ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Nandritra ny lahateny nataony no nitondrany ny fomba fijeriny ny teny filamatra voizina ho fanamarihana tamin’ity taona 2024, izay faha-77 taona rahateo manao hoe : “Fitiavan-tanindrazana, fototry ny fampandrosoana”. Ny tantara tokoa tsy fanadino, hoy izy saingy, ny fitiavan-tanindrazana dia tsy tokony hadika ho fankahalana ny Vahiny na Vazaha. Tsy afaka ny hiolonolona samy irery isika fa ilaintsika ireo vahiny ireo amin’ny lafiny fampandrosoana na ara teknolojia fotsiny aza. Nambarany ary fa tokony hiara-hiasa amin’izy ireo isika saingy tsy maintsy ny Malagasy no hisitraka ny tombontsoa betsaka amin’izany. Nohararaotiny ihany koa ity fotoana ity nanetanany ireo ankizy sy tanora mba hankamamy an’ity Firenena ity izay tsiriritin’ny Vahiny maro noho ny harena maro izay ananany. Hahataneraka izany dia niangavy ity filohan’ny Anterimiran-doholona ity ny mba hifantohan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy. Marihana moa fa ankoatran’ireo olom-panjakana maro, dia nanatrika izao lanonana izao ireo raiamandreny sy akanga sisa nanam-borana tamin’iny tolom-panafahana iny. Nanamarika ny fotoana moa ireo fampiratiana sary sy tantaran’ireo zava-nisy tamin’izany taona 1947 izany. Teo ihany koa ny fanaovana fizaham-pahasalamana maimaimpoana hoan’ireo zokiolona feno 70 taona no mihoatra.
T.M.
JENERALY KAPISILY KKKKKK
JENERALY KAPISILY KKKKKK