Isan’ny fizaràna izany isan’ny be mpijery indrindra ity tranga iray ity. Nalaina tamin’ny finday ny fidarohan’ny lehilahy iray ny lehilahy iray izay nampangainy ho nanala-baraka azy tamin’ny tambajotran-tserasera facebook. Daroka izay saika nampiala ny ain’ilay olona mihitsy satria tsy mitovy ny haben’izy ireo dia tsy afa-nanohitra arak’izany. Efa sempotra tanteraka ary nangataka ny mba hamotsorana azy izay vao napetrak’ilay lehilahy ny olona. Ny tena votoatiny, raha ny fijery ilay sarimihetsika, dia nolazainy fa nanala-baraka azy ho « pédé » sy mpivarotra fahafinaretana amin’ny vazaha ilay olona izay nodarohany ary nalefany mivantana tamin’ny facebook. Taorian’izay dia nataony izay nahitàna azy, nentiny teny amin’ny tokontany malalaka ary nanalany ny fony tamin’ny fikasihan-tànana. Nitory ny voadaroka, nahazo fanamarihan’ny mpitsabo koa fa tsy afaka miasa 15 andro izy noho ny fahavoazana nanjo azy. Omaly dia niakatra fampanoavana tao Nosy be ny raharaha ary nidoboka am-ponja ny nidaroka. Etsy andanin’izany, karohina ilay vehivavy izay nampiasain’io farany haka ny « vidéo » tamin’ny finday. Fantatry ny olona amin’ny raharaha « sôranô » (soratrao amin’ny fiteny malagasy ôfisialy) ity tranga ity, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera. Ny antony dia satria nandritry ny fidarohana dia niverimberina io teny io, nampiasaina hanontaniana ilay lehilahy nampangaina ho nanala-baraka, raha tena izy tokoa no nanoratra ilay tamin’ny facebook. Niezaka nanazava moa io farany fa tsy izy no tompon’andraikitra tamin’izany, saingy tsy an-kijanona ny daroka na teo aza izany. Mandeha ny fikarohana ny naka ny sarimihetsika ary mbola miandry izany ho azo izay vao mety handeha ny raharaham-pitsaràna. Mety ve ny fomba fampiasan’ny maro ny facebook? Matetika miverina ny fanontaniana…
D.R